Ny Rabe

Vidéos

Lesona 03: Fandokoana ny sary amin’ny Krita

Indro indray ary ny fampianarana mandoko sy manisy aloka amin'ny fanaovana animation. Aza adino fa efa misy ny fampianarana anankiroa teo aloha ka tsara kokoa ny mijery ny fampianarana teo aloha foana ihany. Araho ato amin’ity tutoriel ity ny dingana rehetra amin’ny fandokoana ny sary sy ny fametrahana aloka amin’ny Krita.

Lesona 03: Fandokoana ny sary amin’ny Krita

Korotana anaty Taxibe

Ny Rabe anaty taksibe 🙄😂 Mandreraka be mihitsy rehefa misy andihan'olona maro mifankahalala ao anaty taksibe 😂😂

Korotana anaty Taxibe

Ry mimi isany!!! 😅

Miaaaou!! Miaaaou!!! 😅 Any aminareo koa ve misy mimi malaza tonga dia ilay danzé be ireny? 😅 Mampalahelo mihitsy i Datoa ato hanaovan'zalahy azy!!! 😅

Ry mimi isany!!! 😅

Rehefa mandeha mariazy 😅

Iza aminareo indray no mitondra ambin-tsakafo mody rehefa avy mamonjy mariazy? 😅 Na dia izany aza dia tsara ihany ny miala amin'io fomba io, sa comment? 😅

Rehefa mandeha mariazy 😅

Fripy amin'ny taonina 😅

Indry koa ve tsy manaiky mihitsy raha tsy mahazo fripy bobaka be vao afa-po? 😃 Tandremo nefa fa mampiteraka olana be tampoka kay io fifidianana fripy bobaka be io io anh! 😅

Fripy amin'ny taonina 😅

Ry bevohoka isany 😂😂

Misy tamboho kaoka be sy rava mihitsy amin'ny fihinanan'ireny bevohoka ireny biriky!! 😂 Ny anareo koa ve biriky ihany sa mba asiana vato malao kely indraindray dia jus fasika?? 😂

Ry bevohoka isany 😂😂

Vary misy vato 😂

Matetika dia izy foana no tratran'ny vary misy vato ao an-tokantrano 🤭😂

Vary misy vato 😂

Mitsako tsinjaory 😂😂

Ianareo koa ve be konetaka kely taloha rehefa maratra? 😂 Araho ato indray ary ny fikan'i Datoa manoloana an'izany eh! 😂

Mitsako tsinjaory 😂😂

Areheto fa maika eeh😂😂

Aty aminay misy ilay olona tsy mahavelona afo iny mihitsy😂 Nefa ny sasany ray segondra dia vonona 😂

Areheto fa maika eeh😂😂

Pitidrora mazika 😊😂

Fomba fitadiavan-javatra tsy azo adinona ity ah 😂 Ninoninona tediavina dia hita foana 👍☺️

Pitidrora mazika 😊😂

Sarotra an-kanina 🤭😂

Any aminareo koa ve misy ilay olona efa amin'ny ora fisakafoanana iny mihitsy vao mody mandondona😂😂 Mba blague ity fa ny antsika valala iray aza hifanampahana ♥️

Sarotra an-kanina 🤭😂

Mpangarom-paosy

Mpangarom-paosy 😭😂 Mila mailo foana naizanaiza aleha 😞 Nareo koa ve mino an'ilay fombafomba gasy hiarovana amin'ny Mpangarom-paosy reny? 😂😂

Mpangarom-paosy

Bacc en poche 😂😂

Ianareo ko ve sahirana mitady cadeau ho an'ny zanakareo 😊 Tadidio fa tiany daholo izay omenareo eo 😊 Arahabaina daholo izay afaka 🥰 Mahereza daholo ianareo izay tsy afaka🙏♥️

Bacc en poche 😂😂

Ilay mpanjifa saro-kenatra 🤣

Ianareo ve saro-kenatra rehefa manjifa azy itony sa toy ny mividy saribao 500ar ampiana 200ar ihany? 🤣🤣 Araho kely indray ary ity zava-nitranga tao an-tsenan'i Fara ity eh! 😀

Ilay mpanjifa saro-kenatra 🤣

Lesona 02: Fanetsehana ny sary amin’ny Krita

Maro taminareo no nangataka ny tohin'ilay fampianarana voalohany momban'ny fanaovana "animation" koa indro ary atolotra ho anareo am-pitiavana be ny fampianarana faharoa. Araho ato amin’ity tutoriel ity ny dingana rehetra amin’ny fanetsehana ny sary amin’ny Krita

Lesona 02: Fanetsehana ny sary amin’ny Krita

Ilay vôiazera 🤣

Ianareo koa ve mba efa tratran'izao rehefa ilay mandeha mi-vôiazy iny? 🤣 Araho indray ary ilay fikafikan'i Datoa eh 🤣

Ilay vôiazera 🤣

Alefaso fa maika eeeh!!!! 😅

Iza amintsika ato indray no champion du monde amin'ny fisisihana taxi-be? 😅 Efa maika lava daholo moa ka tsy maintsy mifampisisisika ao!!! 😅 Na izany aza, aza adino ny manome toerana ireo zokiolona, ny bevohoka, ny mitaiza kely ary ireo manana kilema rehefa hiditra bus na rehefa ao anatiny. 👍

Alefaso fa maika eeeh!!!! 😅

Fanapahana an'ilay fika 🍆🤣

Iza aminareo ato no mbola tsy vita didim-poitra? 😂🤣 Efa fotoanan'ny fanapahana izao sao taraiky eo! 😂😂 Araho ato indray ary ny didim-poitran' i Lita zanak'i Tsiky manja kely.

Fanapahana an'ilay fika 🍆🤣

Ilay tambavy manangeza... 🤣

Ialahy isany koa ve efa nisy nanery nisotro an'ireny tambavy misy "potion magique" ireny? 🤣 Araho indray ary ny fikan'i Datoa manoloana an'ireny eh! 🤣

Ilay tambavy manangeza... 🤣

Rehefa mandeha mibôsy taloha 😅

Ianareo koa efa tratrin'ilay handeha hibôsy nefa tsy te hiala ambony fandriana mihitsy? 😅 Na izany aza mila mazoto foana isika fa araho ny tantaran'i Tata Malala fa kômbà be ny mandeha mibôsy tamin'ny fahatanorany 😅 ô i ôôô andeha hianatra izahaaaay!!!

Rehefa mandeha mibôsy taloha 😅

Ny Taxi Moto eto amin'ny tanàna 🇲🇬😃

Ankoatran'ny mitondra sipa gratuit amin'ny moto dia inona koa ny fialam-bolin'ireo mpitondra taxi eto amin'ny tanàna. 🤣🇲🇬 Hitanareo ato amin'ity vidéo manaraka ity ary ny zavatra tena tiandry lerony. 😅🛵 Ankafizo dia zarao amin'ny namana rehetra izay tia mivanitika lalandava. 😃

Ny Taxi Moto eto amin'ny tanàna 🇲🇬😃

Lesona 01: Fanombohana ny sary miaina amin’ny Krita

Fanontaniana miverimberina matetika ny hoe: inona avy ireo logiciel ampiasaina amin’ny fanaovana sary miaina, ary karazana fitaovana toy inona no ilaina amin’izany? Araho ato amin’ity tutoriel ity ny dingana rehetra amin’ny fanaovana sary amin’ny logiciel Krita, miaraka amin’ireo fitaovana ilaina amin’izany.

Lesona 01: Fanombohana ny sary miaina amin’ny Krita

Film Horera tany an-tsena 🤣🇲🇬

Fiantsenana tsotra ihany no nokasain’i Tata Malala 😂 saingy nivadika ho korontana be rehefa teo amin'ny mpivaro-kena.🤣

Film Horera tany an-tsena 🤣🇲🇬

Tsy manaiky diso 😂🇲🇬

Ny Dadanareo koa ve manao an'izao? 😆 Tia manandrakandrana na dia hita fa tsy mety ary nefa avy eo izy ihany no tezitra. 😅 Datoa ah fa raha mba calme aloha 😅

Tsy manaiky diso 😂🇲🇬

Manaraka