Dôdô zaza ooooh!! 😃
Izany indray ary ny memes an'i Tsiky manja kely eh! 😃 Efa betsaka amintsika kosa no efa tratra an'izao sa ahoana ry Maman isany? 😃 Courage daholo mitaiza fa adidy masina io 😊
Izany indray ary ny memes an'i Tsiky manja kely eh! 😃 Efa betsaka amintsika kosa no efa tratra an'izao sa ahoana ry Maman isany? 😃 Courage daholo mitaiza fa adidy masina io 😊
Ny paozin'ialahy rehefa mahita fika sy plan milay be iny!!! 😃😃😃
Ianareo koa ve mba efa tratran'izao rehefa ilay mandeha mi-vôiazy iny? 🤣 Araho indray ary ilay fikafikan'i Datoa eh 🤣
Tsaky indray ra-poulet androany 😆🐓 tsy hay hoe nataon'leiry io inona indray ny poneataksia an'i Datoa. 😂 Asa mety ho firy ny porsantazy mety hampety an'io intelizansa artifisialy nataon'i Njaka io. 😀
Nareo koa nga mahay mamboly lasopy legioma? 😅 Raha azo atao 'pack lasopy' indray mandeha ny fambolena nahoana no mbola handany andro eo? 🤣
Rehefa indry ilay tafidtra be anaty resa-pitiavana iny ka adino daholo izao tontolo izao!! 🤣 Ny fianarana aloha atao tsara r'ikala Miora kely fa aza maimaika ah!! 😅
Iza amintsika ato indray no champion du monde amin'ny fisisihana taxi-be? 😅 Efa maika lava daholo moa ka tsy maintsy mifampisisisika ao!!! 😅 Na izany aza, aza adino ny manome toerana ireo zokiolona, ny bevohoka, ny mitaiza kely ary ireo manana kilema rehefa hiditra bus na rehefa ao anatiny. 👍
Paozin'ialahy rehefa nahazo kil betsaka dia nisinisy ny boby 🇲🇬🤣 Mipetraka milamina kely aloha fa miasa ny vokatra! 🥂😎
Inona re zao no ao an-tsain'i Lita kely amin'izao mijery ilay bandy mitady hiditra ho dadany eh? 🤣 Valio kely ao amin'ny kaomantera ao hoe.🤭
Rehefa misy namana ilay be dohika nefa efa hita fa diso iny. 🤣 Eo amin'izay ialahy ilay mampiasa vocabulaire.😃
Iza aminareo ato no mbola tsy vita didim-poitra? 😂🤣 Efa fotoanan'ny fanapahana izao sao taraiky eo! 😂😂 Araho ato indray ary ny didim-poitran' i Lita zanak'i Tsiky manja kely.
Rehefa ilalahy ilay nidirany rivotra ka nanandrana ronono soja...😷😂 Mba asio fahalalam-pomba ihany ry Datoa fa loza ity!! 🤦♂️
Inona koa ny fikafikanareo rehefa matahotra ho bedy iny? 😂 Mahay manambitamby ny vehivavy ry zalahy rehefa diso ah. Raha ialahy izao no nanimba teo dia efa voaroaka hatramin'ny entana. 🤣
Ny Bébé kosa aloha tena tia mikarakara ny zafikeliny foana eh! Mankasitraka ny Bébé rehetra eh! 👍
Ialahy isany koa ve efa nisy nanery nisotro an'ireny tambavy misy "potion magique" ireny? 🤣 Araho indray ary ny fikan'i Datoa manoloana an'ireny eh! 🤣
Izany indray ary ny memes an'i Tata Malala eh 🤣🇲🇬 Izao ve ilay hoe atody miady amam-bato 🤭 Eto amin'Ny Rabe ihany no misy an'izao 😃
Rehefa i mamanareo lany adiny roa nitady ilay penina🤦♀️Ilay penina anefa... (teo amin'ny sofiny teo)🤣
Izaho miandry ilay olona nampindramiko vola tamin'ny herintaona hoe 'androany aho handoa azy.😂😁
Fantatrao ve malagasy ianao sady Reny rehefa manomboka tsy mahay miteny raha tsy mitrerona? 😂😊
Ny bandy ihany no mahatsapa an'izao fijaliana izao. 🤣 Mba fidifido ihany ny olona ametrahana fanontaniana ry zavavy ah. 😃
Nareo koa ve manana mpiray vodirindrana mandefa télé mafy be iny? 🤣 Tsy misy mba hiainanao trankilina mihintsy fa ny azy no heno. 😃🇲🇬
Ianareo koa efa tratrin'ilay handeha hibôsy nefa tsy te hiala ambony fandriana mihitsy? 😅 Na izany aza mila mazoto foana isika fa araho ny tantaran'i Tata Malala fa kômbà be ny mandeha mibôsy tamin'ny fahatanorany 😅 ô i ôôô andeha hianatra izahaaaay!!!
Ankoatran'ny mitondra sipa gratuit amin'ny moto dia inona koa ny fialam-bolin'ireo mpitondra taxi eto amin'ny tanàna. 🤣🇲🇬 Hitanareo ato amin'ity vidéo manaraka ity ary ny zavatra tena tiandry lerony. 😅🛵 Ankafizo dia zarao amin'ny namana rehetra izay tia mivanitika lalandava. 😃
Fiantsenana tsotra ihany no nokasain’i Tata Malala 😂 saingy nivadika ho korontana be rehefa teo amin'ny mpivaro-kena.🤣